Zanak’i Dada

> Tsy misy kandida esorina raha fitonina no tadiavina


  • Sabotsy 17 Aogositra 2013

Rehefa niato iray andro noho ny fety masina dia niverina nanafana ny kianjan’ny Magro Behoririka indray ny Zanak’i Dada omaly.

Talohan’io anefa dia nifamotoana vao maraina teny amin’ny CES Ambohidahy izy ireo omaly, nanatitra taratasy ho fanamafisana ny filatsahan-kofidin’i Neny Lalao Ravalomanana. Vita ny «mission» satria dia voaatitra tokoa ny taratasy. Hanahoana ny tohiny ? Izany no fanontanina mby ao an-tsaina ankehitriny ka ao an-kianja ny Zanak’i Dada no hahafantatra ny valiny ary raha ilaina koa ny fiakarana alahady dia ho avy alahady izy ireo amin’ity indray mitoraka ity. Ato anatin’ny 24 ora no hahafantarana na ho rendrika na ho tafita isika, hoy ny CT Rakotomandimbindraibe Mamisoa. Toa namaly izany avy hatrany ny CT Ralaimampisainarinony Manoela raha nilaza fa “fanamafisana no andrasantsika. Tsy misy kandida esorina raha fitonina no tadiavina”. Nanampy izany ny fa “firenena tsy mandala ny demokrasia no mankasitraka ny fanalana kandida”. “Misarika ny sain’ny CES vaovao isika, hajao ny lalàna ary aza manao fitsarana politika fa ho tsarain’ny tanatra ianareo, asehoy ny maha fitsarana mahaleotena anareo”, hoy ihany ny CT Ravelonanosy Mamy Tiana.

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT