Zanak’i Dada - Analamahitsy

> Matoky fa efa akaiky ny fandresena


  • Alatsinainy 24 Febroary 2014

Anisan’ireo mpitolona tsy tapaka hita tamin’ireo hetsika rehetra nokarakarain’ny ankolafy Ravalomanana sy ny TIM teo aloha ry zareo olon-tsotra avy eny Analamahitsy Boriborintany faha-5 eto Antananarivo.

Mazava ny hafatry ny filoha Marc Ravalomanana teo amin’ny tokony hifanajana, hoy izy ireo ka mankato izany isika mianakavy. Itony toerana ety Tanjombato itony no nahitan’ny olona marobe tombontsoa nefa dia noravan’ny mpanongam-panjakana tamin’ny indray mipi-maso nahavery asa fianakaviana maro ka mila miverina ny filoha Ravalomanana hamerina izany asa fampandrosoana an’i Madagasikara izany. “Matoky ny fiverenany isika sy izahay avy eny Analamahitsy manokana ary dia dradradradraina mandrakariva koa ny hamoahana tsy misy hatak’andro ireo gadra politika mbola any am-ponja sy ny famoahana ireo haino aman-jery nakaton’ny tsy mahatanty demokrasia ireo”. Efa akaiky ny fandresena ka aoka hiray hina ny ankolafy Ravalomanana tsy an-kanavaka, hoy izy ireo.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT