Notoloran’ny Ministeran’ny
Mponina fanampiana ireo traboina
Notoloran’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisankina fanampiana ireo traboina vokatry ny haintrano tany amin’ny distrikan’Anosibe an’Ala, tranga niseho afak’omaly Alatsinainy alina. Tonga tany an-toerana omaly Talata 13 Oktobra ireo delegasiona avy amin’ity Ministera nitondra tantsoroka ara-tsakafo sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro, ho fanohanana avy hatrany ireo fianakaviana lasibatra. Nijery ifotony ny fahavoazana sy niara-nidinika tamin’ireo tompon’andraikitra teo an-toerana ny delegasiona, mba hamantarana ireo filana maika sy handrindrana ny fanohanana ireo traboina. Araka ny toromarika nomen’ny Minisitry ny Mponina sy Firaisankina, Rtoa Rakotoniaina Voahanginirina Cathia izao dia fanatanterahana ny iraka avy amin’ny Filohan’ny Fanavaozana, kolonely Randrianirina Michael, sy ny Praiminisitra izao fidinana ifotony izao amin’ny fiahiana sy fanohanana ny vahoaka, indrindra amin’ny fotoan’ny voina. Miisa 50 moa ireo trano may tamin’izany raha 15 hafa voatery narodana. Olona manodidina ny 265 isa no tsy manan-kialofana raha tombanana ho 500 tapitrisa Ar ny teti-bidin’ireo entana may sy lasa lavenona.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fanampiana !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.