Zana-dRanavalona

> Hanamarika ny Alahamadibe rahampitso 08 aogositra


  • Alarobia 07 Aogositra 2013

Raha ny 18 sy ny 19 aogositra no nanamarihana ny Alahamady na ny taona vaovao 2012 ho an'ny fikambanan'ny zana-dRanavalona dia hanomboka rahampitso alakamisy 08 aogositra indray haharitra telo andro no hanamarihany izany amin'ity taona 2013 ity.

Eny Anosimanjaka ihany no hanatanterahana ny lanonana mifandraika amin'izany izay nambaran'ny filohany Ny andriana Ravelonarivo Alain Eddie fa tsy izy ireo no nanao ny daty fa avy amin'ny boky nosoratan'i Abibe. Manana ny hafatra ho entiny ho an'ny Malagasy hatrany izy ireo rehefa vanim-potoana tahaka izao. Tamin'ny taona 2011 ohatra dia niantso ireo mpanao pôlitika ny fikambanan'ny Zana-dRanavalona mba hihavana. Tamin'ny taona 2012 indray dia mbola niantso ny mpanao pôlitika ihany izy ireo mba hampitsahatra ny fifandirana ary amin'ity taona 2013 ity dia Andriamanitra mihitsy no antsoin'izy ireo hanome fahendrena sy fahamarinana ny Malagasy mba hahatonga saina ny tsirairay ka hanaiky hihavana sy hifamela heloka. Fanadiovana ny tanàna no hisantarana ny hetsika eny Anosimanjaka rahampitso alakamisy manomboka amin'ny 06 ora hariva. Amin'ny alalan'ny arendrina no hanatanterahana izany arahin'ny fitsofana mozika. Arahina fandroana izany sy famonoana omby volavita izany ny ampitso raha hofaranana amin'ny hira gasy manetriketrika kosa ny sabotsy 10 aogositra.

 

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT