Zakahely Boniface

> Manohitra ny fikasan’i Andry Rajoelina


  • Zoma 04 Oktobra 2013

Naneho ny heviny mikasika ny fikasan’i Andry Rajoelina hivarotana ireo tahirina andramena i Zakahely Boniface.

Fanontaniana avy hatrany no nasetrin'ity mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity hoe : fahefana avy aiza no hahafahan'ny filohan'ny tetezamita hanao izany ? Fananam-bahoaka ny andramena, hoy i Zakahely Boniface ka farafaharatsiny i Andry Rajoelina midina mifampidinika sy miresaka amin'ny vahoaka any amin'ny faritra fa tsy manapa-tena toy izao. Notsiahivin’i Zakahely Boniface fa fitondrana tetezamita no misy eto fa tsy fitondrana ara-dalàna ka tsy manana fahefana hanao izany ny mpitondra. Mikasika ny fifidianana indray dia nilaza i Zakahely Boniface fa ny fanamboarana ny lalàm-pifidianana aloha izao no mahamaika ankoatra ny fanovana ny lalàmpanorenana. Loza no haterak'io fifidianana amin’ny 25 oktobra io raha mbola mikiry ny rehetra satria azo antoka fa hisy ireo tsy hanaiky tsotra izao izay voka-pifidianana hivoaka eo. Aminy dia mety hiteraka fery vaovao ny fanaovana fifidianana amboletra raha izao no mitohy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT