Actualités

Zafy Albert Hametraka fitoriana eny amin’ny BIANCO


  • Alatsinainy 30 Jolay 2012

Tsy kivy, tsy ketraka ny profesora Zafy Albert fa dia hamerina hametraka ny taratasy fitoriany indray eny amin’ny Bianco momba ny resaka kolikoly mahakasika olona ambony eto amin’ny firenena.

 Tamin’ny 2011 moa dia efa nisy ihany ny taratasy fitarainana napetrany saingy tsy noraisin’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly izany, noho ny tsy fahatomombanan’ny firafitr’ilay izy. Fantatra fa namerina nandrafitra antontan-taratasy vaovao indray ity filoham-pirenena teo aloha ity, miaraka amin’ny porofo ka hanenjehany mpitondra ambony, anisan’izany ny filohan’ny tetezamita momba ireo nambarany fa afera maizina. Raha toa ka tsy re feo firy tato anatin’ny volana vitsivitsy izay ingahy Zafy Albert dia mety efa ho hita sy re matetika amin’ny filazam-baovao indray izany ny tenany manomboka izao.

Azo ambara fa goavana sy makadiry ity fitoriana kasainy hapetraka eny amin’ny Bianco Ambohibao ity. Marihana fa miainga avy amin’ny fitoriana na fitarainana apetraky ny olona no hiaingan’ny fanadihadiana hataon’ny Bianco, mazava ho azy fa kolikoly no resaka eto. Efa manana ny famaritany ny atao hoe kolikoly, araka ny lalàna velona ny Bianco. Nahoraka be nandritra izao tetezamita izao fa misy mpikambana eo anivon’ny kongresy, filankevitra ambonin’ny tetezamita na minisitra na koa mpiasam-panjakana ambony, eny fa na dia ireo olona sasany manodidina an’ i Andry Rajoelina aza, tafiditra anatina afera maizina sy fanangonan-karena mihoapampana. Tsy nionona nihaino ny resaka sy ny honohono ny profesora Zafy fa dia nanadihady, ka dia io izy milaza fa manana dosie matevina io ary hateriny tsy ho ela eny amin’ny Bianco izany.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT