Tsy azonay ekena intsony ny fitarihana korontana hitondra any amin’ny krizy hamotika ny firenena indray, hoy ny depiote Zafimahatratra Abel voafidy tany Manakara Vatovavy Fitovinany.
Efa ampy nakana lesona fa tsy mitondra vokatsoa eto amin’ny firenena ny korontana ary tena tsy nahafehezantsika ny vidim-piainana miakatra andro aman’alina mihitsy. Tamin’ny taona 1991, ohatra, raha mbola 500 ariary ny kilaom-bary ary mbola ambany dia ambany ny vidin-tsolika teto amintsika dia tafakatra avo roa heny taorian’izay. Tahaka izany koa ny niseho tamin’ny 2002 ka nahatonga ny fiakaram-bidin’ireo entana ireo. Tsy azo ekena ny fifandrafian’ny samy iray asa, toy ny depiote samy depiote na mpanao gazety samy mpanao gazety na dia tsy mitovy hevitra aza fa taratry ny demokrasia iainana ny fahasamihafan’ny fomba fijery. Mikasika ny rahaharahan’ity farany dia marihako etoana, hoy ny depiote Abel, fa efa tena vonona ny hiaro ny zava-boalazan’izy ireo izahay ary mbola vonona hiaro fa mila mifampiresaka tsara aloha. Tsy misy solombavambahoaka miady sy te hiady amin’ny mpanao gazety izany eto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.