Tonga maro tao amin’ny Magro Behoririka ny Zanak’i Dada omaly alarobia 31 jolay naneho ny fanohanany ny kandidŕ Lalao Ravalomanana.
Niavaka tamin’izany ny KMNR Boriborintany faha-4 izay nitondra sorabaventy tao an-kianja nanehoan’izy ireo ampahibemaso ny fanohanany an’i Neny hatramin’ny farany. Amin’izy ireo dia efa filoha i Neny ary ho avy Dada. Nifanandrify indrindra tamin’ny fahatongavan’ny iraky ny GIC-M tarihin’ny filoha mozambikanina teo aloha Joaquim Chissano ity hetsiky ny mpanohana ny kandida Lalao Ravalomanana ity. Tsy maintsy hilaza izay tiany indray ny GIC-M, hoy ny Rév Satrobory nefa na inona na inona hambarany dia tsy maintsy hiafara amin’ny fifidianana izao raharaha izao ka ho «1er tour» dia vitan’i Neny io. “I Neny rahateo tsy miala izany”, hoy Ralaimampisainarinony Manoela nanamafy. Nanampy i Zafilahy Stanislas fa « tsy nampihemotra an’i Neny velively ny ramatahora sy ny fandrangarangana sazy ary tsy handefitra intsony isika amin’ity fa ao an-damosin’i Neny».
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.