Actualités

YLTP Andiany faha-12 Hitsidika ny nosy Maorisy


  • Talata 02 Aogositra 2016

Tsy mionona amin’ny fiofanana fotsiny fa mitohy hatrany ny ezaka ataon’ireo tanora 24 mianadahy avy amin’ny faritra 22 isa manaraka fiofanana ao amin’ny

« Youth Leadreship Training Program », fandaharanasan’ny Friederich Ebert Stiftung hanofanana ireo tanora Malagasy ho mpitarika sy ho mpanapa-kevitra ara-politika eto amin’ny firenena. Hihazo ny Nosy rahavavy Maorisy izy ireo ny 20 aogositra ho avy izao  hijerena ireo karazana paikady toy ny fahaiza-mitantana  any amin’ity firenena iray  ity hampiharina eto amintsika hahafahana mampandroso ny firenena. Na izany aza anefa  mila vola ny fanatanterahana izany, antony nanosika azy 24 mianadahy hikarakara hetsika fitadiavam-bola notanterahina ny alahady teo hanatevenana ny kitapom-bolan’izy ireo. Fampihantranoana olona miaraka amin’ny sakafo atoandro tamina trano fandraisam-bahiny iray no notanterahin’izy ireo tamin’izany, izay mbola hiantsoany ireo malala-tanana afaka hifanohana amin’izy ireo ihany koa. « Tanora mivoy ny kolontsaina vao” no teny fanevan’izy 24 mianadahy ireto.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT