Actualités

Yan Wilfried Ramananirina “Omeo ny manampahefana ilay porofo raha misy”


  • Alarobia 21 Septambra 2022

Amin’ny maha talen’ny kabinetra ny tena dia tsy hoe misolo vaika ny akalana akory, hoy ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny mponina, Yan Wilfried Ramananirina, fa minisitra no resahana.

Minisitera no dikan’izany no voatonona, hoy izy. Tsy hitako ny maha talen’ny kabinetra ahy raha tsy mahavita miatrika izao olana izao ary adidiko izao. Anjarako ny miantoka ny serasera manoloana an’io. Ny lalampanorenantsika no mametraka ny atao hoe “présomption d’innocence” na fiahiahiana aloha. Raha hampangaina gazety ho mangalatra ny lehibeko dia manana an’izay “présomption d’innocence” izay aloha izy fangatahana fanazavana fa faharoa dia manana ny zo hamaly na “droit de réponse” koa izahay. Misy ny andininy faha 58 ao anatin’ny sata mifehy ny fifandraisana izay mametraka ny adidy aman’andraikitrareo mpanao gazety hoe tsy tokony hamoaka zavatra tsy ananana porofo. Ny gazety Taratra nanao hoe misy olona ambony ahiana fa ny an’ny La Gazette de la grande Ile dia nambaran’ny mihitsy fa atidoha nikotrika ilay fanapohana solika ny minisitry ny mponina. Manana porofo izy izany ka izay no angatahako hahafahanay miaro tena na hahafahanay miaiky hoe diso izahay. Tsy manana olana amin’ny mpanao gazety malagasy na amin’ny orinasa La Gazette de la grande Ile ny tenako sy ny minisiteran’ny mponina fa mba mangataka amin’ny talen’ny famoahan’ilay gazety hamoaka ilay porofo. Mba omeo ny manam-pahefana any Toamasina izay manao fanadihadiana amin’izao fotoana izao hivoahan’ny marina. Raha tsy izay dia ho heverinay ho mpanao herisetra mifototra amin’ny maha lahy na vavy ianao. Malahelo ny sain’io olona io izao. Hitantsika rehetra ny soa nataony tamin’ity tanindrazana ity nefa fanasoketana toy izany no setriny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT