Actualités

World Wide Anglican Church Mandalo eto ny Patriach Lwanga Christopher


  • Alatsinainy 01 Aogositra 2022

Mitsidika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny Patriarch LWANGA Tusubira Christopher. Izy no lehiben'ny WAC na ny “World Wide Anglican Church” maneran-tany,

izany hoe izy no lehibe faratam-pon’ny Anglikana. Nanamasina ireo Pretra sy Diakra ary nitsidika ny manampahefana isan-tsokajiny ny anton-diany teto amin'ny firenena. Isan’ny navoitrany fa ny fikambanana WAC dia mandà tanteraka ny fanambadian’ny lahy sy lahy ary vavy sy vavy, ary ny tokantrano maso, ary nanambara tamin'ny fomba ofisialy teto Madagasikara amin'ny maha filoha faratam-pony azy fa i Madagascar dia noraisin'izy ireo tao anatin'ny fikambanamben’ny Anglikana maneran-tany. Rehefa zohiana, mizara roa tanteraka ny Anglikana eto Madagascar dia ny EEM izay ambaran’ny WAC fa mamonjy ny fivoriana any Lambeth. Tsy ao anatin’ny WAC ireo ka isan’ny hevitra tsy hitoviana sy mifanohitra ny fomba fijerin’ny fiangonana eo amin’io lafiny fanambadiana io satria mifanohitra amin’ny fijerin’ny WAC ny zavatra isan’ny dinihina any Lambeth, raha ny fanazavana. Naneho moa ny WAC fa manana rafitra mazava ara-baiboly, efa aman-jato taonany. Nanendry an'I Réverend Emmanuel SOLOFOSON sy Réverend Lercia izay efa am-polo taonany no nikambana tao ary izy roa ireo no misolo toerana ny WAC eto Madagasikara. Ny Révérend Emmanuel SOLOFOSON Eveka mpisolo toerana Réverend LERCIA, eveka misionera izay ho hamasinina afaka fotoana fohy izy ireo. 30 mahery ny diakra sy ny pretra eo ambany fifehezan'izy ireo, ny Rév. Lercia no misahana ny fifandraisana iraisam-pirenena ary voatendry ho eveka eto an-toerana sy misahana ny Nosy Seychelles ary Australie. i Rev. Emmanuel SOLOFOSON kosa no misahana ny fampandehanana ny raharaha amin'ny ankapombeny eto Madagascar, marihina fa miara miasa tanteraka anefa izy roa ireo. Firenena 68 maneran-tany no nandany ary nanaiky azy roa ireo, hoy hatrany ny fampitam-baovao ofisialy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT