Actualités

World Cola Manga Mania festival Fahombiazana tanteraka ny andiany faha-11


  • Alarobia 27 Jolay 2022

Fahombiazana tanteraka no azo tamin’ilay hetsika World Cola Manga Mania Festival nokarakarain’ny orinasa Star. Nahazo tombony manokana ireo mpankafy ny kolontsaina aziatika,

 hetsika izay notanterahina ny 23 sy 24 jolay lasa teo tao amin’ny Kianja Mitafon’ Ankorondrano.Tratra ny tanjona ho an’ireo mpikarakara tamin’ity andiany faha-11 ity. Nampianoka ny mpitsidika rehetra ny taloha sy ny ankehitrinin’ny kolontsaina aziatika tamin’ny alalan’ny Japan Land, Geek Space, ny fifaninanana Manga Mania got talent, ny fifaninanana e-sport ary ireo fanentanana maro samihafa nisy tao an-toerana nandritra ny roa andro nisian’ny hetsika. World Cola no zava-pisotro ofisialin’ny Manga Mania raha tsiahivina ary teo amin’ireo toeram-pisakafoana ireo no nifamotoan’ny mpankafy sakafo nanandrana ity zava-pisotro vaovao ity.World Cola moa raha tsiahivina dia misokatra amin’ny kolontsaina rehetra maneran-tany ary noho izy vokatra tanteraka eto Madagasikara dia manohana tanteraka ny hetsika nptontosain’ny tanora Malagasy ho azy ireo, tahaka ity Manga Mania Festival ity.
Pati
Legende : Feno hipoka tahaka izao ny kianja mitafon’Ankorondrano
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT