Actualités

Women in Business Tokony hiroso hatrany ny vehivavy mpandraharaha


  • Alarobia 18 Mey 2022

Manana ny maha-izy azy ny vehivavy mpandraharaha. Tokony ho faka tahaka izy ireny hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy omaly talata 17 mMey tetsy amin’ny hotel Carlton Anosy.

Notanterahina tamin’io andron’ny omaly io tokoa mantsy ny fikaonan-dohan'ireo vehivavy mpandraharaha "Women in Business" andiany fahatelo izay nahafantarana fa miisa 100 ny ivon-toerana fanodinana vokatra aroson’ny MICC ho fanampiana azy ireo. Hampitomboana ny harin-karena faoben’i Madagasikara amin’ny alalan’ny taninketsa indostrialy". Mandray anjara feno amin’izany ny vehivavy amin'ny fandraharahana, manana ny fahasahiana hiroso hatrany ary mijoro manoloana ny fahasarotana lalovana toy ny takaitra nentin’ny valan’aretina COVID 19. "Ny fahasahiana, toetra Hananan’ny vehivavy, mitondra fandresena kanefa ny fandresena no fetra amin’ny fandraharahana », hoy ihany ny Minisitra misahana ny fampiroboroboana ny indostria. Nanamafy izy fa ny kaoperativa hivondronan’ny vehivavy eny ifotony dia isan’ny fanoitra mampandroso ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Mandray andraikitra ny Fitondram-panjakana hitsinjovana ny tontolo madio, lavitry ny kolikoly eo amin’ny fandraharahana ka isan’ny fepetra napetraka ny fisian’ireo lalàna maro samihafa toy ny lalàna mikasika ny fampiasam-bola sy mikasika ny fandraharahana ara-indostria. Nifarana omaly ihany ny hetsika.
Nangonin’i Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT