Misongadina hatrany ny IT University eo amin’ny tontolon’ny informatika satria dia mbola mpianatra avy ao aminy indray ny laharana voalohany nandritra ny Webcup 2016 notontosaina ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny Softibox Tsiadana.
Ny ekipan’ny Proud Geek ahitana an’i Andriamamonjy Karen, Razafindrakoto Jary, Andriantsoamberomanga Andrianina, Randriamasy Matthieu no nibata ny laharana voalohany tamin’ity fifaninanana mamorona tranokala (site web) ao anatin’ny 24 ora tsy an-kiato ity. Lohahevitra tamin’ity taona ity ny famoronana tranokala ho an’ny “Webcup Space Station ». Marihana fa efa nibata ny amboara ho an’ny ranomasimbe Indianina ny ekipan’ny Proud Geek. Mpianatra manomana ny Master 2 izy efatra mianadahy ireto. Teo amin’ny laharana faharoa ny ekipan’ny Excelsior ary laharana fahatelo kosa ny Geek squad. 15 ny ekipa nifaninana teto Madagasikara tamin’ity Webcup 2016 ity ka ekipa misy ny mpianatra nofanin’ny IT University ny 4 tamin’ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.