Tahaka ireo vondrona iraisam-pirenena nanara-maso iny fifidianana natao tamin’ny 25 oktobra lasa teo iny dia nanatontosa ny fanambarana savaranonandony ihany koa ny vovonana «Mahitsy Fijery» izay ivondronan’ny KMF/Cnoe, CDA, CRM, Zaha Vato ary ny WYLD/Liberty 32.
Birao fandatsaham-bato niisa 3 000 tamin’ny toeram-pifidianana miisa 1 926 nielipatrana tamin’ny Distrika miisa 119 no narahan’izy ireo maso tamin’izany. Tsy dia nivaona tamin’izay efa nambaran’ireo mpanaramaso iraisam-pirenena tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo iny ny tatitra nataon’Atoa Razafindraibe Ernest filohan’ny KMF/Cnoe sady nitondra teny ny vovonana. Misy ireo teboka maromaro heverina fa mila fanatsarana azy, anisan’izany ny tokony hananan’ny CENI-T ny fahaleovantenany ara-bola mba tsy hiteraka olana na koa fanemorana fifidianana ny tsy famoahan’ireo mpamatsy vola ireo tetibola hiasany. Mila apetraka mazava ihany koa ny lalàna mikasika ny fifidianana eto amintsika satria maro ireo mifanipaka ao anatin’izany. Manomboka izao dia tsara raha apetraka ny fetra mahakasika ny vola hoentina manao fampielezan-kevitra manaraka izay kosa dia mila ataon’ireo kandida mazava tsara ny fototra nipoiran’ireo vola ireo. Amin’ny maha mpanaramaso azy dia mijanona eo amin’ny filazana ireo teboka mila fanatsarana moa ny asan’izy ireo saingy miankina amin’ireo fahefana mpanatanteraka ny mety hisian’ny akon’izao asa nataony izao amin’ny voka-pifidianana na tsia. Na dia teo aza anefa ireo tsy fahatomombanana isan-karazany ireo dia nankasitraka ny vahoaka Malagasy tamin’ny fahavitany ny fifidianana fihodinana voalohany teo iny ny vovonana “Mahitsy Fijery” ary mankahery ny vahoaka Malagasy mba hitohy amin’izay fahendreny izay hatramin’ny fihodinana faharoa.
Nofy R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.