I Vony Maurille no solontena vaovaon’ny masoivoho Rosianina ao Toamasina.
Tontosa omaly ny lanonana fametrahana azy, ka niatrika izany ny ambasadaoron’ny kaonfederasionina Rosianina miasa sy monina eto amintsika Atoa Stanislas Akhmedov sy ireo mpianatra fahiny tany Rosia monina ao Toamasina. “Kapitaly ekonomikan’i Madagasikara i Toamasina, izy ihany koa no misy ny seranan-tsambo lehibe eto aminareo, ary Toamasina ihany koa no niavian’ny filoham-pirenena nisian’ny fiaraha-miasa akaiky sy matotra teto Madagasikara; ka nosinganina manokana izy. Hiompana amin’ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra ny fifamatoram-piaraha-miasa nametrahana izao sampan’ny masoivoho Rosianina eto Toamasina izao, hoy Atoa Stanislas Akhmedov tao amin’ny “villa Tsaravintana” mampiantrano ity “consulat honoraire” ny kaonfederasionina Rosia ao ity. Nohamafisin’ny “consule” vaovao fa hampitomboina ny fifandraisana ara-barotra eo amin’ny firenena roa tonta miaraka amin’ireo mpianatra fahiny sy ireo mpandraharaha marobe ao Toamasina. Ara-tantara dia ny taona 1986 no nisy sampan’ny masoivoho Rosianina farany tao Toamasina. Ny antony dia ny olana ara-politika nisy sy ny olana ara-toekarena tany Rosia ka voatery nakatona.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.