Nivarahontsana ny mponina tao Tsaramandroso III, Fokontany iray ao an-tampon-tanànan’i Mampikony teo anatrehan’ity loza ity
. Ny harivan’ny sabotsy 23 jolay no very tao Tsaramandroso II ilay zazavavikely 3 taona. Tao Tsaramandroso III ny vatana mangatsiakany no hita. Ramatoa handeha haka rano amin’ny vovo omaly alahady, no nahita ilay zazavavikely niankohoka tao anaty rano, efa tsy misy aina intsony. Raha ny tombana nataon’ny mpitsabo nanao fitsirihana ny razana, dia efa novonoina izy no natsipy tao anaty lavadrano. Misokatra ny fanadihadiana hamantarana ny tompon’antoka tamin’izao vono olona izao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.