Actualités

Vono olona teny Imerinkasinina 11 nidoboka eny Tsiafahy, 1 eny Antanimora


  • Alarobia 23 Novambra 2022

Olona miisa 12 no voasambotra mikasika ilay ny alatsinainy 14 novambra tokony ho tamin’ny 5 ora hariva, ary natolotra ny fampanoavana omaly,

araka ny tatitry ny zandarimariam-pirenena. Raha hiverenana dia mpamory hetra iray sy mpiraki-draharahan’ny fitsarana no nisy nitifitra teny Imerinkasinina, ka niezaka nanavo-tena saingy tra-doza ilay fiara. Iry voalohany maty tao anatin’ny fiara ary ilay mpiraki-draharaha kosa namoy ny ainy teny amin’ny Hopitaly HJRA. Bala miisa 3 no hita teny an-toerana, ka ny roa voalaza fa nitifirana ilay mpamory hetra, raha ny tatitry ny manam-pahefana. Olona iray no voasambotra ny androtr’iny. Tratra niaraka taminy ny basy nampiasaina. Ny ampitson’io, nisy olona 5 voasambotra. Tafiakatra 12 ireo voarohirohy ho nifandray mivantana na ankolaka tamin’ity raharaha ity.

MISY POLISY
Polisy am-perinasa ny 4, misy vehivavy teratany sinoa, misy olona vao avy nivoaka ny fonja, misy mpamerin-keloka efa in-droa tany am-ponja… Tambajotran-jiolahy. Misy ifandraisany amin’ireo namono noho ny resaka tombotsoa ireo namono. Misy ihany koa ireo mpitandro filaminana, olona mpamerin-keloka avy any am-ponja, teratany vahiny,… ka misy amin’ireo voasambotra no tafiditra ao anatin’ny tambazotran-jiolahy raha ny fanambaran’ny mpitandro filaminana. Nisy fiara marika sprinter ihany koa nogiazana. Raha ny fanapahan-kevitra ny fampanoavana omaly dia nidoboka am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ny 11 lahy, ary eny Antanimora kosa ilay vehivavy iray.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT