Nilaza ny heviny momba ireo namoy ainy tao anaty savorovoro tany Nosy Be tamin’ity herinandro ity ny Dr Robinson Jean Louis. Nambarany fa : "mampivarahontsana izao zava-miseho izao. Hita amin’izao fa mitombo hatrany ny alahelo iaretan’ny vahoaka amin’ny fomba fitsarana eto amintsika.
Tsy maintsy mandalo fitsarana na Malagasy na vahiny voampanga ho nanao heloka, ary tsy maintsy miatrika tribonaly madio amin’ny hitsin’ny lalàna manan-kery eto amintsika izy. Nahafatesana olona telo ny fitsaram-bahoaka tamin’ity. Zavatra tsy mety izany”. Na ahoana na ahoana fanamarinan-tena atao dia tsy mety foana ny famonoan’olona, ary zavatra tokony ho sorohana, i Madagasikara rahateo dia anisan’ireo firenena efa nanafoana ny fanamelohana ho faty. Momba ny raharaha nitranga tany Nosy-Be dia misy ihany ny zavatra mampametra-panontaniana, tahaka ny hoe : inona moa no ataon’ny mpitandro filaminana iatrehany ny fangalaran-taova? Hita amin’izao firohotan’ny olona amin’ny fitsaram-bahoaka izao fa amin’ny olona dia tsy ampy hampitsahatra ity heloka maharikoriko ity ny ataon’ny mpitandro filaminana. Manarak’izay nahoana ny olona no mihevitra fa mila ampiana tosika ny fitsaram-bahoaka ? Tsy ho nisy akory izao valifaty misolo fitsarana izao raha nanontona an’izay tokony natontona hampanjary ny fitandroana filaminana sy ny fitsarana teto amintsika ny fitondran-dRajoelina tanatin’izay efa-taona farany izay, hoy hatrany ny Dr Robinson Jean Louis. Nilaza ny filohan’ny tetezamita tamin’ity herinandro ity fa "afa-pon’ny zava-bitan’ny tetezamita". Mibaribary tsy misy isalasalana amin’iny zava-niseho iny anefa, hoy ny kandida natolotry ny Avana ary tohanan’ny ankolafy Ravalomanana fa amin’ny Vahoaka malagasy dia tsy nanao izay tokony ho nataony hampilamina ny fiainan’ny mponina ny fitondrana tetezamita. Nanipika mazava ny Dr Robinson Jean Louis fa tsy maintsy manao vaindohan-draharaha ny filaminam-bahoaka ny fitondrana ho avy eo, tsy maintsy manao izay hampiverina ny fatokisana ny fomba fitsarana eto amintsika, ary tsy maintsy manao izay tratran’ny fahefana eo am-pelatanany hiadiana amin’ireo heloka bevava misampana hatrany ivelany tahaka ny fanondranan-taova, izany fitondrana izany. Mijoro aho fa hataoko izany, hoy izy.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.