Actualités

Vono olona tany Anjeva Miseho ho mahitahita ny havan’ilay nahavanon-doza


  • Alatsinainy 25 Oktobra 2021

Renim-pianankaviana iray antsoina hoe: Ravololonjanahary na “Lolona” no ahafantaran’ny olona azy no lasibatry ny asa ratsy, saika nanaraka hatramin’ny ainy tany amin’ny kaominina Anjeva Gara ny sabotsy 09 oktobra,

teo anelanelan’ny tamin’ny 9ora mahery kely teo ho eo. Mpandraharaha manana ireny karieram-bato ireny izy io, ka efa nomarihin’ny olon-dratsy fa isaky ny sabotsy no fandoavany ny karaman’ireo mpiasa. Iny an-dalana handeha hizara vola any amin’ny kariera ao Anjefa Gara làlana hiakatra ho any Imerikasinina no nandrasana tamin’ny takotakona, ary novelesina tamin’ny vato ny hatony. Rehefa handeha hitraka hijery azy, dia nokendainy indray sady nomeny ny totohondry. Noheveriny, fa maty ka lasa nitsoaka ilay olon-dratsy. Lasa avokoa ny vola, ny “carnet” firaketana ny fandoavam-bola sy ny trosa, finday,… Mpiasa iray no nahiana ho tompon’antoka, ary nanamafy ny lasibatra fa io no nanao azy. Voalaza mantsy fa nanananan’ilay mpandraharaha trosa be io mpiasany iray io, ka mety tetika tsy handoavana ny trosa no namonoany ilay mpampiasa azy. Rehefa natao famotorona izy, dia nilaza fa nafeniny ilay “carnet” misy ny kaontin’ny mpiasa rehetra, ary hita tamin’ny toerana nanafenany azy ihany koa ny “machine à calculer”, poketra,… Efa tsy hita popoka intsony kosa ny vola sy ny finday, hoy ny fampitam-baovao. Nilaza ny havan’ilay renim-pianakaviana, fa efa niaiky ny helony io lehilahy io. Anio alatsinainy 25 oktobra no hiakatra fitsarana ity raharaha ity, saingy nanamarika kosa ny lasibatra, fa miseho mahitahita, manindrinindry ny havan’ilay ambaran’izy ireo fa nahavanon-doza, milaza ho manana havana manamboninahitra ambony kolonely, hatramin’ny zandary no toa tadiavana hanaovana tsindry,… Noho izany indrindra, mangataka ny fahendren’ny fitsarana tsy hanaiky ny mety ho tsindritsindry samihafa, ary hampihatra ny lalàna amin’ilay heverin’izy ireo fa olon-dratsy ilay renim-pianankaviana sy ny fiankaviany, izay mbola ao anatin’ny fitsaboana amin’izao fotoana izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

Hijery ny tohiny
FTT