Nanao tohivakana ny fahatongavan’ny fanampiana ho an’ireo traboinan’ny rivodoza “Haruna” any Toliara.
Amin’ny anaran’ny fihavanana (filongoa) sy amin’ny maha samy Malagasy noho ny voina nahazo ny mpiray tanindrazana dia tonga tany Toliara nanolotra fanampiana voin-kava-mahatratra ny filohan’ny «Les AS», Voninahitsy Jean Eugène mivady notronin’ireo mpikamban’ny Kongresin’ny tetezamita mpiara-dia aminy. Nojeren’izy mivady nanokana ireo Fokontany natao ankilabao nefa tena traboina tsy nisy niraharaha tao an-tampon-tanànan’i Toliara niampy Kaominina telo any amin’ny Distrikan’i Toliara II. Vary 6 taonina sy vola iray tapitrisa Ariary atao ambioka no natolotr’izy ireo izay nampihetsi-po ny vahoakan’Atsimo Andrefana ny fihetsika modely nataon’ity mpanao politika avy any Melaky ity.
«Tsy olo-manan-drahà fa te-hanao raha izahay», hoy i Voninahitsy Jean Eugène, ontsa nahita ny fijalian’ireo vahoaka. Nambarany fa vola madiodio karama avy am-paosin’izy mivady no mba hanampiany ny mpiara-belona toy izao. Tamin’ireo toerana notsidihany dia nakahery ireo mponina traboina hatrany mba hitraka ny tenany. Noho ny loza sy voina nitranga tany Toliara dia voatery nahemotry «Les AS» amin’ny fotoana manaraka ny fampisehoana maimaimpoana ho an’ny vahoakan’i Toliara saika notanterahina ny sabotsy teo, tao amin’ny kianja mitafo Tsienengea niarahana tamin’ny Onja sy Terakaly.
Mahakasika ny fangatahan’ny mponina, indrindra ny fanamafisana ny fefiloha Fiherena izay miaro ny tanànan’i Toliara amin’ny tondra-drano dia nampanantena ny tenany fa hampita izany amin’ny tompon’andraikitra satria misolovava ny vahoaka no asany fa tsy mpanatanteraka. «Hanao izay tokony ho vitako aho amin’ny fanampiana haingana anareo. Tsy kabary politika no ataontsika eto fa asa sosialy», hoy i Voninahitsy Jean Eugène namarana ny fanazavany.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.