Actualités

Vondron’ny mpiasa Malagasy “Mbola kely raha 30% no fiakaran-karama”


  • Alarobia 27 Aprily 2022

Ny vondron’ny mpiasa Malagasy izay itambaran’ireo vovonana sendikaly eto Madagasikara toy ny firaisankinan’ny sendika Malagasy na SSM,

ny kaonfederasionin’ireo mpiasam-panjakana Malagasy na CESAEM, ny CTM sy ny hafa rehetra dia nampahafantatra tetsy amin’ny Railovy Analakely omaly fa mivondrona hikarakara hetsika ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenen’ny asa na 1 may 2022. Asain’izy ireo amin’izany rehefa mety ho mpiasa Malagasy na miasa tena io na amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana. Asaina ihany koa, hoy izy ireo, ireo very asa. Rehefa mety ho mahatsiaro ho mpiasa sy mila asa. Hiainga eo Ambohijatovo hihazo ny kianja mitafon’I Mahamasina ny hetsika. “Mpiasa Malagasy mitaky famoronana asa, fidiram-bola mifanaraka amin’ny vidim-piainana, tany tan-dalana sy lavitry ny kolikoly ary mandry fahalemana.” no lohahevitra amin’ity taona ity. Tamin’ny fotoana farany nihaonan’ny SSM tamin’ny mpanao gazety dia vao lany teny amin’ny antenimieram-pirenena ny volavolan-dalana mifehy ny tetibola 2022. Nangataka izahay nialoha izany ny fampiakarana na fanitsiana ny karama hiampy 30% mba hifanaraka amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana. Nisy taratasy ofisialy nalefa tany amin’ny filoham-pirenena, praiminisitra, filohan’ny antenimieram-pirenena sy filohan’ny antenimieran-doholona, ny minisitry ny fitantanam-bola, ny minisitry ny asam-panjakana. Tsy mbola nahazo valiny ofisialy izahay taorian’izay. Rehefa nandeha kely indray ny ady any Okrainina dia namerina izahay hoe tokony ho jerena io fampiakarana karama io na ho an’ny sehatra tsy miankina na miankina amin’ny fanjakana satria efa ho 2 volana latsaka kely no nametrahanay hoe tokony hisy fifampidinihana eo amin’ny fanjakana sy mpahaitoekarena, mpitantana orinasa, sendika ijerena vahaolana. Niteny moa izy izao saingy mbola manjavozavo hoe firy isan-jato ilay fiakarana heritreretin’ny fanjakana fa kely indrindra aloha raha io 30% io. Mari-drefin’ny vidin-javatra eny an-tsena izay tsy latsaky ny 50% ny fiakarany no nanaovanay an’io fampiakarana na fanitsiana karama 30% fara faha keliny io. Tsy iadianay hevitra ny fetra farany ambonin’ny vidin’entana napetraky ny fanjakana teo, hoy hatrany ireto vondron’ny mpiasa ireto, fa mbola kely raha 30% no fiakaran-karama amin’izao.
J. Mirija
Legende: Tetsy Analakely omaly
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT