Mankalaza ny faha-20 taona niorenany ny vondrona Tsaramanasoa eny Itaosy, fikambanana iray anisan’ny manohana sy manampy ireo sahirana ara-pivelomana, indrindra fa ireo kamboty sy tsy manam-piahy.
Tafiditra ao anatin’izany ny fandraisana ireo voafonja nahefa ny antsasaky ny saziny tany am-ponja izay omena fiofanana arak’asa sy volavolaina indray hahafahany miverina am-pitoniana eny anivon’ny fiarahamonina. Tsy hionona amin’ireo asa ireo intsony anefa ny vondrona manomboka izao, hoy Ranaivoson Harivololona, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny vondrona.
Hisy ny fampahafantaran’izy ireo ny lalàna ho an’ny isam-batan’olona, indrindra fa ny eny ambanivohitra hisorohana ny olona tsy higadra. Anisan’ny olana goavana sedrain’ny mponina ambanivohitra izany ankehitriny toy ny any amin’ireo tanàna be omby. Hararaotina mandritra ny hetsika hataon’izy ireo any Ambatoasana distrikan’i Soavinandriana izany manomboka ny alakamisy 23 jona ho avy izao, ivon’ny fankalazana. Fifaninanana diabe maimaika handraisan’ny rehetra anjara amina halaviran-dalana 2 km sy sasany, fifaninanana asa tany, fifaninanana vako-drazana no entina hanamarihana izany arahin’ny fanolorana loka ho an’izay mendrika sy nivoaka ho mpandresy ny zoma 24 jona. Hitohy amin’ny fizarana arendrina maimaimpoana ho an’ny ankizy madinika rehetra izany ny sabotsy 25 jona mba hahafahan’izy ireo mifaly sy mankalaza ny fetin’ny 26 jona amim-pitoniana hiarahana amin’ireo mpikambana avy any Tamponala, Ankisabe, Mahasolo ary Antananarivo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.