Vondrona MAPAR

> Mandidy, manapaka


  • Zoma 21 Febroary 2014

Tena mizotra any amin’ny manjakatokana ny MAPAR raha ny fahitana ny fitantanan-draharahan’ny fanjakana amin’ity Repoblika faha-4 ity. Ny filoham-pirenena rahateo efa nanambara fa vonona ny hiara-kiasa amin’ny ankolafin-kery rehetra, tafiditra ao anatin’izany ny MAPAR, hoy izy nandritra ny filankevitry ny minisitry ny alarobia lasa teo.

Nobodoin’ny MAPAR tsotra izao ny toerana filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena ary raha ny volavola miainga amin’ny fifidianana filoham-baomiera dia mikendry toerana 26 ny MAPAR ifampizarany amin’ny GPS (Groupe Parlementaire Spécial), ka 17 an’ny MAPAR ary anjaran’ny GPS kosa ny 9. Raha ny marina moa dia samy manohana an’i Hery Rajaonarimampianina daholo ireo vondrona politika roa ireo. Fa ny tsy azo adinoina dia tsy olon’ny filoham-pirenena velively ny MAPAR fa olon’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina ary ny GPS dia zanaka am-pielezan’ny MAPAR ihany, dia mazava ny resaka eto. Efa azo sary an-tsaina dieny izao sahady fa izay tolo-dalàna na volavolan-dalàna metimety amin’ny MAPAR ihany no tsy maintsy ho lany eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Mba resaka hanaingoana ny adihevitra fotsiny angamba ilay hoe omena toerana filoha lefitry ny Antenimeram-pirenena ny mpanohitra, ary mbola fanontaniana saro-baliana koa ny hoe : fa iza marina moa izao no mpanohitra eto e ? Fa raha filoha lefitra iray aloha dia tsy hahavita na inona na inona manoloana ny filohan’ny Antenimieram-pirenena miaraka amin’ny birao maharitra izay MAPAR ny ankamaroany. Ka inona moa izany fa dia nataon’ny MAPAR ampihimamba tanteraka ny fitantanana ny fanjakana. Efa azo antoka fa tsy hanaiky izy ireo raha tsy olony ny maro an’isa ao amin’ny governemanta ary hiova manaraka izany ireo tompon’andraikitra maro samihafa any amin’ny minisitera tsirairay avy any. Tsy manan-tsafidy firy ny filoha Hery Rajaonarimampianina fa tsy dia tsy maintsy manaiky izay hetahetan’ny MAPAR an-dRajoelina. Toa ny anarana fotsiny no niova fa hay mbola eo ihany ny tetezamita e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT