Actualités

Vondrona Eoropeanina Frantsay no ho ambasadaorony vaovao


  • Zoma 29 Aprily 2022

Handao tsy ho ela an’i Madagasikara ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina dia ilay teratany Italianina SEM Giovanni Di Girolamo, raha ny voalazan’ny fampahalalam-baovao vahiny iray omaly.

Tsara ny manamarika fa efa hatry ny taona 2018 ity diplaomaty ity no niasa teto Madagasikara, izay nisolo an’i Antonio Benedito Sanchez. Diplaomaty Frantsay indray no ho Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina eto Madagasikara dia i Isabelle Delattre. Efa niasa 15 taona teo anivon’ny Vondrona Eoropeanina izy io, ka eo anivon’ny DEVCO (Directorate-General for International Cooperation and Development), ka misahana ny Afrika Aostraly sy ny Ranomasina Indianina izy ao anatin’izany. Fanendrena azy voalohany amin’ny maha ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina io, taorian’ny nisahanany ny toerana mpanolontsaian voalohany momba ny fampandrosoana tamin’ny fisoloana tena ny Vondrona Eoropeanina tany amin’ny Firenena Mikambana any New York. Amin’ny lohantaona no higadona eto Madagasikara ity diplaomaty vaovao ity. Tsy tongatonga ho azy ny fanendrena teratany Frantsay eo amin’io toerana io. Mifanandrify indrindra amin’ny hiatrehan’i Madagasikara vanim-potoana mafampana amin’ny resaka fifidianana. Isan’ny manana anjara toerana lehibe amin’ny tontolon’ny jeopolitika eto Madagasikara ny Vondrona Eoropeanina. Talohan’i Giovanni Di Girolamo izay teratany Espaniola dia i Antonio Benedito (2014-2018) Sanchez, ary nialohan’izay dia ilay teratany Grika Leonidas Tezapsidis (2010-2014).


Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT