Manaraka akaiky ny fivoaran’ny toe-draharam-pirenena misy eto Madagasikara ny fianakaviambe iraisam-pirenena ary anisan’izany ny Vondrona Eoropeanina, hoy ny masoivohony maharitra miasa eto amintsika, Leonidas Tezapsidis.
Tsy miditra lalina kosa anefa izy ireo amin’ny fametrahana ireo andrim-panjakana vaovao taorian’ireo fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka fiverenan’i Madagasikara amin’ny rafitra demokratika sy tan-dalàna. Anjaran’ny samy Malagasy no mifampidinika sy mifanakalo hevitra amin’ny fametrahana ny filaminana sy ny fitoniana fahizay mba ho tombontsoan’ny vahoaka, hoy ny fanampim-panazavany. Efa nahavita dingana lehibe rahateo ny firenena malagasy tamin’ny fametrahana ireo rafitra roa dia ny fiadidiana ny Repoblika sy ny Antenimieram-pirenena ka ilaina ny fanohizana izany mba hirosoan’i Madagasikara amin’ny dingana manaraka rehetra. Nanamarika moa ity solontenan’ny Vondrona Eoropeanina miasa eto amintsika ity fa efa miroso tsikelikely amin’ny fankatoavana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny firenena malagasy ankehitriny ka tsy tokony handraraka ilo mby an-doha eo anatrehan’ireo firenena mpiara-miombon’antoka sy fikambanana iraisam-pirenena intsony. Nisongadina moa ireo nandritra ny tafa nataon’ny iraka mpanaramaso avy amin’ny Vondrona Eoropeanina tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny hotely Ibis Ankorondrano omaly alarobia 26 febroary 2014. Ny iraka mpanara-maso eoropeanina izay nanolotra fehin-kevitra miisa 31 ka tafiditra ao anatin’izany ny fitantanana ireo andrim-panjakana sy ny antoko politika miaraka amin’ny famatsiam-bolan’ireo antoko ireo ary koa ny sehatry ny fampahalalam-baovao.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.