Andro vitsy taorian’ny fandalovan’ny GIC-M teto Madagasikara dia namoaka fanambarana hentitra ny Vondrona Eoropeana ny alatsinainy 6 aogositra lasa teo tamin’ny alalan-dRamatoa Catherine Ashton, mpitondra teny sady tompon’andraikitra voalohany momba ny raharaham-bahiny eo anivon’ity vondrona ity.
Manome fe-potoana roa herinandro ireo rehetra voakasika amin’ny famahana ny krizy mba hanatanterahana ilay didy fiton’ny GIC-M, ny Vondrona Eoropeana ; ary efa mandrangaranga sazy ho an’ireo izay mijoro ho sakana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana sy ny fampiharana ny tondrozotra. Efa nampoizina ihany ity fanambarana ity satria zavatra tsy mifanohitra tamin’ny efa nambaran’ny SADC sy ny Vondrona Afrikana ihany no hambaran’ny Vondrona Eoropeana. Tafiditra ao anatin’ity didy fito ity ny famoahan’ny filohan’ny tetezamita didy hitsivolana manitsy ny lalana mifehy ny fifidianana ka hahafahan’ireo kandida mitsoaka an-daharana misintona ny antontan-taratasiny eny amin’ny CES, no sady manolotra olona hafa ho solony ; eo ihany koa ny fametram-pialan’ny filohan’ny tetezamita, ny famoahana lisitry ny kandida vaovao ataon’ny CES, ny fampiharana ny sazy amin’ireo rehetra ambara fa sakana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana sy ny famahana ny krizy ary dia hisy lisitra hivoaka momba izany.
Voalaza kosa anefa fa heverina ny fanafoanana ny sazin’ireo olona tafiditra taoa natin’ny 109 voasazy tamin’ny 2010 raha toa ka vonona ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fikaroham-bahaolana hamahana ny krizy izy ireo. Ary farany dia ambaran’ilay didy fiton’ny GIC M ihany koa fa tohanana ny hetsika ataon’ny FFKM mba hampihavanana sy hametrahana fitoniana eto Madagasikara, raha tanteraka izany rehetra izany dia hanao rodobe hanampy antsika amin’ny fanomanana sy fanaovana ny fifidianana ny sehatra iraisam-pirenena ka hanampy ara-pitaovana, ara-bola, ara-torohevitra no sady handefa mpanaramason’ny fifidianana eto. Asa na efa fomba fiady ilay izy fa hita ho mifanohitra tamin’ny tenin’i Joaquim Chissano ihany ity fanambaran-dRamatoa Ashton ity satria nanambara itsy voalohany fa tsy ny fanasaziana no mahamaika fa ny famahana ny olana, ary ny GIC-M sy ny SADC dia efa tsy nametraka “ultimatum” intsony ; ny Vondrona Eoropeana indray anefa ity no tahaka ny tonga fofona be izany fa manome roa herinandro, mba hanatanterahana ilay didy fito, na dia efa fantatra tsara aza fa roa taona tsy vita ny nampihatra manontolo ny tondrozotra.
Misy mpanara-baovao politika koa anefa mihevitra fa tena politika avo lenta no atao eto Madagasikara, ary efa fantatra ihany ny firenena ao ambadik’ilay izy, fantatra ihany koa hoe : vondrona politika iza, sy kandida iza no tena tiana hailika tanteraka tsy handray anjara amin’ny raharaha politika eto.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.