Vondrona Afrikana

> Mankasitraka ny fanapahan-kevitry ny CES


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2013

Mankasitraka tanteraka ny didy navoakan’ny CES ny sabotsy 17 aogositra lasa teo ny Vondrona Afrikana, araka ny fanambaran-dRtoa Nkosazana Dlamini-Zuma, filohan’ny Vaomiera Afrikana io sabotsy io ihany.

Tokony ho tonga any amin’ny fanaovana fifidianana mba hivoahana amin’ny krizy sy hamerenana ny ara-dalana amin’izay ny eto Madagasikara, hoy ny fanambarana. Fanapahan-kevitra hendry ary mety no noraisin’ny CES ka nanala tao anatin’ny lisitra ireo kandida tsy nahafeno ny fepetra ambaran’ny lalampanorenana (?) sy ny lalàna mifehy ny fifidianana eto Madagasikara, na koa nitsivalana tamin’ny fanapahan-kevitra hentitra navoakan’ny Vondrona Afrikana sy ny SADC ary ny GIC-M, hoy ihany Rtoa Nkosazana Dlamini-Zuma. Ireo vondrona iraisam-pirenena nangataka ny fisitahan’ireo kandida telo dia i Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka moa no tiany hambara amin’izany. Dingana iray lehibe mankany amin’ny fanatanterahana fifidianana malalaka, mangarahara ary azo antoka ny fanesorana tao anaty lisitra ireo kandida tsy nahafeno fepetra, hoy ihany ny Vondrona Afrikana ary dia hotohanan’ny sehatra iraisam-pirenena ny fanatanterahana izany fifidianana izany. Niarahaba manokana ny filohan’ny tetezamita ihany koa Rtoa Nkosazana Dlamini-Zuma noho ny andraikiny tamin’ny fandraisana ireo fepetra rehetra nahafahana niroso any amin’ny fifidianana sy ny fiaraha-miasany feno tamin’ny Vondrona Afrikana sy ny SADC. Nolazain-Dramatoa Nkosazana Dlamini-Zuma moa fa dia lehibe tokoa ny fitiavan-tanindrazan’ny filohan’ny tetezamita. Miantso ireo kandida voahilika mba hanaiky ny fanapahan-kevitry ny CES ny Vondrona Afrikana ary manentana azy ireo mba hanolotra izay kandida hisolo azy ireo amin’ny fifidianana, araka ny fepetra voatondron’ny lalàna.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT