Actualités

Vondron’olon-tsotra manohana an’i Neny
Nanolotra fanampiana ho an’ny zokiolona


  • Sabotsy 17 Aogositra 2013

Nahazo birao vaovao eny Ambohimamory Itaosy, Atsimondrano ny Vondron’olon-tsotra manohana an’i Neny na ny VOT.

Ho santatry ny fiaraha-miasa amin’ity Fokontany ity sy ho fanajana ireo zokiolona ao an-toerana dia nanolotra fanampiana ho an’ireto farany izy ireo omaly. Fanampiana izay santatra am-bavarano amin’ny hetsika ara-tsosialy mbola hataon’ny VOT araka ny fanazavan’ny filohany Zoé Sarah. Nojerena manokana ireo mananontena sy tsy niteraka. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ireo zokiolona ny fanampiana ary maniry hatrany ny hitohizan’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Nambaran’ny filohan’ny VOT moa fa fitsinjovana ny mpiara-belona no anton’izao fanampiana izao. Na izany aza anefa dia nambaran’izy ireo fa tsy maintsy miteny izy ireo rehefa misy zavatra tsy mety eto amin’ny firenena ka hamolavolany ny olom-pirenena tsirairay ihany koa mba hahay handray andraikitra. Ny taona 1999 moa no niorina ny VOT ary Faritra 19 amin’ny 22 isa no efa misy azy ankehitriny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT