Vondron'ny Malagasy Mangirifiry sy Mijaly

> Mangataka amin’ny HCC ny fandravana ny Tetezamita


  • Alakamisy 08 Aogositra 2013

Lavareny ny krizy ary mijaly ny vahoaka. Tomponantoka ny FAT, hoy ny Vondron’ny Malagasy Mangirifiry sy Mijaly na VMMM izay efa miparitaka any amin’ny Faritra. Nanatitra taratasy fangatahana famoahana didy mandrava ny fitondrana tetezamita, ka hananganana fitondrŕna vaovao teny amin’ny fitsarŕna avo momba ny lalampanorenana ny VMMM omaly.

Araka ny nambaran-dRalaivao Joseph, mpitarika ny VMMM dia tsy tanteraka ny andraikitra napetraky ny vahoaka tamin’ny fitondrana tetezamita ary tsy misy intsony ny fahefàna eken’ny vahoaka, hoy izy ireo. Misondro-bidy isan’andro ny fiainana, maro ny tsy an’asa ary mitotongana ny fanabeazana. Amin’ny VMMM dia tsy nahomby koa ny tondrozotra satria ny 15% ihany no tanteraka. “Tsy ilaina intsony ny tondrozotra ary tsy ho vita ao anatin’ny fe-potoana ny fifidianana filoham-pirenena”. Araka ny hevitry ny VMMM dia governemanta sy ny HCC no andrimpanjakana asolo ny FAT izay hamita ny fifidianana ao anatin’ny 8 volana. Rehefa rava ny FAT dia miala miaraka aminy koa ny filohan’ny FAT. Nokian’ity vondrona ity koa ny fihetsiky ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay mahosihosy ny zo fototra maha olom-pirenena feno ny Malagasy, satria dia mitsabaka tafahoatra amin’ny raharaha anatiny eto Madagasikara izy ireo ka mitady hanaisotra ny safidim-bahoaka sy tiany hitondra ny firenena. Mangataka ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ihany koa ny VMMM hamoaka didy ho an’ny miaramila sy ny mpitandro filaminana am-perin’asa tsy hanao politika fa kosa hanatanteraka ny asan’izy ireo araka ny voatondron’ny lalàna. Dia ho hita eo ihany ny tohiny.

Yves  sy Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT