Volan-dRavatomanga

> An-dRajoelina ihany ?


  • Talata 11 Martsa 2014


Betsaka no miahiahy na eny an-dalambe na any anaty tranokala rehetra any, momba ny fifandraisana misy amin’ingahy Ravatomanga Mamy sy ingahy Andry Rajoelina. Anisan’ireo mpiaradia tsy mba nisaraka tamin’ingahy Rajoelina moa ity mpandraharaha ity nandritra ny tetezamita. Amin’izao fanadihadiana mahazo an’ingahy Ravatomanga izao dia tsy vitsy ireo mpandinika no mametra-panontaniana hoe : Tsy fanenjehana an’i Andry Rajoelina ihany ve izao fanenjehana an’i Mamy Ravatomanga izao ? Betsaka tokoa mantsy ny tsiliantsofina mandeha fa dia ingahy Ravatomanga no anisan’ny mitantana ny volan’ingahy Rajoelina. Raha toa izany ka misy fanagejana atao amin’ny fananan’ingahy Ravatomanga dia ity filohan’ny tetezamita teo aloha ity no ho sahirana. Izany rehetra izany moa dia mbola anatin’ny fanadihadiana ataon’ny fitondrana ankehitriny avokoa, ka sarotra ny hiteny avy hatrany ny fahamarinany na tsia. Ny azo lazaina fotsiny dia mandalo ao an-tsain’ny maro ny fanontaniana mipetraka eto, saingy ny valiny dia mbola miandry.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT