Actualités

Volamena tratra tatsy Afrika Atsimo Niditra an-tsehatra ny Amerikainna


  • Alarobia 13 Janoary 2021

Nolavin’ny Fitsarana Afrikanina Tatsimo ny fampodiana ireo 3 lahy hotsaraina aty Madagasikara,

 

 

 

 ary hotsaraina amin’ny lalàna manan-kery any an-toerana. Raha toa ka misy tsy ampy sy tsy tomombana ny fanadihadiana lalina, dia afaka mihazo an’I Madagasikara ny mpanao famotorona Afrikanina Tatsimo sy ny sy ny Interpol na ny polisy iraisam-pirenena, araka ny vaovao notaterin’ny BBC Africa. Ankoatra io, miely ny vaovao milaza fa nihazo an’i Johannesburg i Cyril Sartor izay Tale mpanampy teo aloha teo anivon’ny Sampam-pitsikilovana Amerikanina CIA (Central Intelligence Agency), izay voalaza fa nalefan’ny governemanta Amerikanina hanampy ny mpanao famotoran’ny Interpol mikasika io trafikana volamena 73,5kg io. Tonga ny fetra eo anatrehan’ny toetra mamohehitry ny mpitantana sasany sy ireo heloka ara-toekarena izay mampahantra ny vahoaka maro an’isa sy manakorontana ny toekarena maneran-tany, raha ny voalazan’io Cyril Sartor.

AHIANA NY SAZY IRAISAM-PIRENENA

Mazava ho azy, fa efa tafiditra ao anatin’ny raharaha ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena vao misy resaka hoe Etazonia sy ny Interpol izany. Hiteraka tsy fahatokisana an’i Madagasikara io, tsy hisy hanome famatsiam-bola ao anatin’ny firenena ratsy tantanana sy malaza ratsy, ary heverina fa hisy fiantraikany goavana amin’ny tontolo politika. Mety tsy hijanona amin’ny volamena 73,5 kg, fa ho tonga any amin’ny fanadihadiana ny filazan’ny UNCom Trade (United Nations International Trade Statistics Database), ivo-toerana mpanangona antontanisa eo anivon'ny firenena mikambana, izay nilaza fa nahatratra 200taonina ny volamena avy aty Madagasikara niondrana tany Emirats Arabes Unis ny taona 2008-2016, izay 31.42 taonina ny taona 2009 ary tany amin’ny 2017 dia 9.27 taonina.

 Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT