Actualités

Volamena tratra tany Afrika atsimo Tsy maintsy miverina eto Madagasikara


  • Alakamisy 07 Janoary 2021

Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay

 

 

volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Ary hiroso tsy ho ela ny fitsarana ity raharaha ity eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao. Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo. Marihana fa niato nanomboka ny volana oktobra 2020 ny fanodranana volamena sy vatosoa. Mipetraka, araka izany, ireo fanontaniana: hisy sazy manokana ve ho an` ny ladoany sy ny Aviation Civil de Madagascar? Na dia hisy ary ny fiaraha miasa amin` I Afrika Atsimo, mety ho tafaverina an-tanindrazana ve ireo harem-pirenena ireo? Tsy vao izao no nisy volamena na harena tratra tany ivelan` ny nosy toy ilay bolongam-bolemana 63kg naondrana tany Seychelles, izay tsy niverina intsony, tamin` ny andron` ny tetezamita. Andrasana aloha izay tohin` ny raharaha.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT