Mpandeha miisa 3 avy aty Madagasikara, saika hihazo an’i Dubai no tratra
nitondra volamena fitopolo kilao mahery tao amin’ny Seranam-piaramanidin’i Or Tambo any Johannesburg Afrika Atsimo ny faran’ny herinandro teo, araka ny fampahalalam-baovaon’ny SABC News any amin’ity firenena ity. Ny mpiasan’ny fadin-tseranana Afrikanina tatsimo no nahasarona azy ireo, ary rehefa nolanjaina dia nahatratra 73,5kg be izao izany. Nosamborin’ny mpitandro filaminana avy hatrany izy ireo. Taorian’ny fahasamborana azy ireo kosa dia nanazava ny Mpitondra tenin’ny Polisy Afrikanina Tatsimo Athlenda Mathe, fa noho ny fahitan’ireo mpanara-mason’ny fadin-tseranana zavatra mampiahiahy tamin’ny fijerena ny entana tamin’ny alalan’ny Scanner no nahita sary mampiahiahy rehefa tonga ireo olona 3 ireo. Nandritra ny fisavana ny entana enti-tànana sy nanontaniana azy ireo dia nahitana vola be ihany koa, ankoatra ny volamena tratra. Isan’ny mandray an-tànana ny fanadihadiana momba io volamena tratra io ny DPCI (Direction des Enquêtes Prioritaires sur la Criminalité) miaraka amin’ny fanampian’ny “Interpol” sy ny manampahefana amin’ny firenena vitsivitsy mety ho voakasika. Omaly no nohadihadian’ny Fitsarana any an-toerana izy ireo ka andrasana ny tohiny.
TENA MANDEHA TRAFIKA
Midika io, fa mitohy ary tena manjaka ny trafikana volamena avy aty Madagasikara, ary misy firaisana tsikombakomba avo lenta matoa tany Afrika Atsimo vao sarona. Ny 22 novambra no nahatrarana 15kg teny Ivato natao tao anatin’ireny asa tànana baobab vita amin’ny karazana vy ireny; ny 5 desambra indray no nahatrarana 3,600Kg tany Nosy Be nasisika tao anaty vatoaratry ny solosaina nentina, ka teratany karana 5 sy Malagasy mpandika teny iray no nidoboka am-ponja, misy ihany koa ny fiaramanidina voalaza fa mivoaka sy miditra kanefa tsy azo savaina ahiana ho mitatitra harena sarobidy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.