Actualités

Volamena asisika anaty fitombenana Sri Lankais iray indray no tratra teny Ivato


  • Alarobia 29 Jona 2022

Nahatrarana trafikana volamena indray teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly 28 jona 2022 hariva. Teratany Sri lankais iray,

antsoina hoe Mohammed, saika hiondrana tamin'ny zotra laharana MK289 hiainga tetsy Ivato, hihazo an'i Colombo (Sri Lanka) mandalo ao Maurice Sy Dubai no sarona, nahatratrarana bolongana volamena miisa 7 mitontaly 835 grama. Noahiahiana, ka nosavaina tamin'ny scanner Amarante. Rehefa nosavaina ny vatany, dia tsy nahitana na inona na inona. Rehefa nampandalovina "magnétomètre" dia hita misy vy mampiahiahy anaty vatany. Nambarany anefa fa misy vy ny tongony ka nampaneno ny "magnétomètre". Mailo ny mpiasan'ny fadin-tseranana ka nampiantso dokotera. Rehefa natao ny fitiliana dia tratra nafeniny tany anaty fitombenany ireo bolongam-bolamena ireo. Mbola niampy vatosoa miloko manga izay heverina ho Safira milanja 20 gr. Atolotra ny fampanoavana ny fampanoavana anio alarobia 29 jona 2022 ity teratany sri-lankais ity. Tsara ny mampahatsiahy vao ny 15 jona teo nisy teratany karana sy sinoa sarona teny Ivato, ka tany amin’ny fitombenana ihany koa no nanitrihana volamena 895grama. Lasa fomba fanao izany ity fandefasana azy any anaty fitombenana ity. Raha am-polony na an-jatony kilao latsaka no sarona hatrizay, dia manodidina ny iray kilao isaky ny mandeha indray itony tratra itony? Zava-dehibe ny fahatrarana ireo olon-dratsy kanefa sao mba misy fampatoriana eo anatrehan’ny amin’ny am-polony na an-jatony kilao na amin’ny taonina mihitsy mivoaka ihany itony ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT