Actualités

Volamena 49kg tratra tany Kaomoro Sidina avy ao Mahajanga no nitondra azy?


  • Alakamisy 30 Desambra 2021

Nisy ny sidina manokana niainga tao Mahajanga an’ny Kaompania Mahoraise Ewa Air tamin’ny alalan’ny « Vol ZD 245 » niazo an’I Dzaoudzi (MJN-DZA) ny talata 28 desambra teo,

 raha ny hita tamin’ny “Flight radar”, mirakitra ny resaka fifamezivezen’ny fiaramanidina. Avy tao Mayotte indray no nisian’ny sidina an’io kaompania io ihany dia ny « Vol ZD 302 » niainga avy tao Dzaoudzi nihazo an’i Hahaya (DZA-HAH) any Moroni Kaomoro. Tao amin’ity seranam-piaramanidina ity no tratra ny volamena 49kg, izay teratany Malagasy ny roa tamin’ireo olona telo nitondra ny volamena. Heverina fa saika handeha tamin’ny sidina Ethiopian Airlines satria ny androtr’io talata 28 desambra io, dia nisy ny sidin’ny ET824 Hahaya-Addis Abeba, avy eo sidina ET 612 Addis Abeba-Dubai. Raha zohiana, di atoa manamarina ny maha avy aty Madagasikara ny volamena ireo toe-javatra ireo, ary ny fampahalalam-baovao Réunionais “info.re” aza moa dia efa nilaza mivantana fa avy aty amintsika ireo.
AHOANA NY FAHAZOAN-DALAN’ILAY SIDINA?
Tao anatin’ny filankevitry ny Minisitra ny 13 oktobra 2021 lasa teo no nankatoavana ny fisokafan'ny habakabak'i Madagasikara amin'i Eoropa, ny "vols charters avy any Milan/Rome Eoropa mankany Nosy-Be Hell-Ville. Nankatoavina ihany koa ny sisina eo anivon'ny Ranomasimbe Indiana: Maurice -Madagasikara (Air Mauritius) izay efa natsahatra ny 27 novambra moa; La Réunion- Madagasikara (Air Austral) ka ny 23 Oktobra 2021 no niatombohany. “Ankoatry ny “évacuation sanitaire” dia mila "autorisation spéciale" izay ankatoavin'ny Praiminisitra sy ny Filoham-pirenena ny fidiran'ny “Jet privé” na ny « sidina tsy miankina manokana”, hoy ny Fanjakana. Misy foana anefa ny sidin’ny Kaompaniann Ewa Air mampifandray an’I Mahajanga sy Mayotte. Matoa misy io dia fahazoan-dàlana avy amin’ny Fiadidian’ny Filoha sy ny Praiminisitra rah any lojika ka ahoana ary izany ity resaka sidina ahiana ho nitondra volamena ity?


Ny ladoany Malagasy moana be hatreto mikasika io afera io, ny Minisiteran’ny fitaterana tsy handrenesam-peo, ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany moa tsy misy minisitra fa ny Praiminisitra no miahy azy,… Tsy misy fanazavana ofisialy hatreto. Mbola tany misy Fanjakana ve ? Nilaza moa ny teo anivon’ny PAC (Pôle Anti-Corrumption) omaly fa tsisy ifandraisany amin’ny raharaha volamena 73,5kg ireo roalahy vaoasambotra.
Toky R
Légende: Ahiana ho ny sidin’ny Ewa Air no nitondra ilay volamena 49kg
SARY FANEHOANA
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT