Volam-panjakana

> Mirobaroba ireo ministera sy andrimpanjakana


  • Sabotsy 31 Aogositra 2013

Tsy mitsaha-mampaneno lakolosy manoloana ny fandaniana tsy ampiveherena ny volam-panjakana ataon’ny Ministera sy andrimpanjakana samihafa ny Tahirimbolam-panjakana. Ity farany izay mizaka samirery ny fanetsenana ny banga ateraky ny goragora ara-pitantanana sy fampiasana ny tetibola.

Novakian’i Raobimanana Orlando, Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana ny tsy firaharahiana ny toromarika omena momba ny fetran’ny vola azo ampiasaina na “taux de régulation”. Raha ny 73%-n’ny vinavina tetibola no noferan’ny Tahirimbolam-panjakana fa azo ampiasaina tamin’ny 2012 dia tafakatra 97% izany. Raha adika amin’ny fomba tsotra dia mihoatra lavitra noho ny zaka noho izany ny vola mivoaka. “Mbola vao amin’ny telo volana fahatelo isika izao nefa dia efa mangataka fahafahana mampiasa vola mihoatra noho izay feran’ny “taux de régulation” amin’ity taona ity ireo Ministera sy andrimpanjakana”, hoy ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana. Ny fandaniana momba ny sakafo sy filan’ny mponina andavanandro, ny fahasalamana, ny fandriampahalemana ary ny fikarakarana ny fifidianana ihany anefa no azo ekena, araka ny tenin’ity tomponandraikitra voalohany amin’ny volam-panjakana ity, izay hentitra tokoa. Nanome toky izy fa tsy ho tapaka mihitsy ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny fisotroan-dronono.

Lavaka mangitsokitsoka

Manao fanairana ny Tahirimbolam-panjakana satria an-daniny, mihena ny vola miditra amin’ny hetra sy ny fadintseranana, an-kilany mavesatra ny fatiantoka ateraky ny hamenoana ireo banga noho ny fepetra raisin’ny fanjakana foibe. Araka ny tatitra nivoaka tamin’ny alatsinainy lasa teo dia latsaka 323 miliara Ariary amin’ny vina napetraka ny vola niditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana amin’ny alalan’ny hetra sy ny fadintseranana. Mahatratra 305, 5 miliara Ariary koa ny vola tsy maintsy tsentsenan’ny Tahirimbolam-panjakana mba tsy hampidangana ny vidim-piainana hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Totalin’ny famatsiam-bola omena ny Jirama nandritra izay 8 volana izay ny 164 miliara amin’io satria matiantoka 20 miliara Ariary isam-bolana ity orinasa ity. Vola arotsaka hitazonana ny vidin-tsolika tsy hiakatra kosa ny 95 miliara Ariary ary famenoana ny elanelam-bidin’ny solika izay vidiana amin’ny vola vahiny Euro kosa ny 46.5 miliara Ariary farany. Marihina fa ny 2.000 Ariary isaky ny Euro ihany no aloan’ireo kaompanian-tsolika fa ny ambiny kosa dia ny Tahirimbolam-panjakana no mameno azy. Nihatra hatramin’ny volana jona teo io fanapaha-kevitry ny fanjakana foibe io. Efa misanda 2600 hatramin’ny 2700 Ariary anefa ny Euro izao. Mampitandrina sahady moa i Raobimanana Orlando fa mbola ho tafakatra 370 miliara Ariary ny vola tsy maintsy tadiavina hatramin’ny faran’ny taona raha tsy misy ny fanapahan-kevitra raisina dieny izao

Sosokevitra

Tsy hiditra amin’ny findramam-bola fahatany ao amin’ny Banky Foibe na koa hanamboatra vola vaovao mihitsy ny Tahirimbolam-panjakana satria miteraka fidangan’ny vidim-piainana avy hatrany ireo araka ny hita tamin’ny 1995. Takiany kosa ny fanajana ny “taux de régulation”, ny fanalefahana ny fanohanana ny Jirama sy ireo kaompania mpanafatra solika izany hoe : ampiharina tsikelikely ny fahamarinan’ny vidy “vérité de prix”. “Raha tsy izany dia mety hisondrotra 400 Ariary tampoka ny vidin-tsolika raha vao tafapetraka ny Fanjakana vaovao”, hoy Raobimanana Orlando. Farany dia tokony ho mpandray anjara amin’ny dinika momba ny fampiasam-bolam-panjakana sy ny fepetra manokana omena ireo tsy miankina ny iarahana amin’ireo Tahirimbolam-panjakana fa tsy mpizaka izay fanapahan-kevitra raisina intsony.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT