Mbola miteraka resabe eo anivon’ny fiarahamonina ny fahaverezam-bolabe voalaza fa nitranga teny Tsimbazaza ny tolakandron’ny alarobia lasa teo.
Voalaza fa karaman’ireo mpikambana ao amin’ny Kongresy ity voaroban’ny jiolahy ity. Araka ny vaovao azo avy amin’ny sampan’ny Polisy misahana ny fikarohana heloka bevava eny Anosy miandraikitra ny fanadihadiana dia nisy ampahany hita tamin’ireo volabe ka manodidina ny 100 tapitrisa ariary izany. Efa mandeha ny famotorana sy ny fanadihadiana momba ity raharaha izay mampanahy ny maro ho sinema fotsiny ihany aloha hatreto. Ny Kestora I ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny resa-bola ao dia nanamarika fa nitentina 157 836 000Ar ireo vola nalain’ireo mpiara-miasa aminy teny amin’ny Trésor tamin’io andro io. Efa voatazona eny amin’ny mpanao famotorana moa ireo telo mianadahy niaraka tao amin’ilay 4x4 an’ny Kongresy, naka io volabe io tany amin’ny Trésor.
Nilaza ity tompon’andraikitra ity fa tsy fantany mihitsy hoe nahoana no tsy nitondra mpitandro ny filaminana mpiambina ireto olona naka vola teny Antaninarenina ireto, izy rahateo moa tsy tao tamin’ny fotoana nandehanan-dry zareo ireo. Tsy mitsahatra moa ny fivoriana ataon’ny birao maharitry ny Kongresin’ny tetezamita eny Tsimbazaza eny mikasika ity raharaha ity ka fantatra avy amin’ny Kestora I ihany fa efa mitady vahaolana fatratra miaraka amin’ny minisitry ny fitantanam-bola sy tetibolam-panjakana handoavana farany izay haingana ny karaman’ireo CT ry zareo.
Nangonin’i Soa sy Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.