Actualités

Vola navoaka tao amin’ny SPAT Ny marina mikasika ilay 12 miliara Ariary


  • Alakamisy 12 Jolay 2012

Nokobokobonin’ny marina ny teo anivon’ny seranantsambon’i Toamasina (SPAT), nosoloin’Atoa Ranaivojaona Samuel, talen’ny fampandrosoana sy ny primatiora lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany (VP.DAT), nosoloin-tenan’Atoa Randrianasoloarimina Tiana, tale jeneralin’ny fitsinjaram-pahefana, mikasika ny vola navoakan’ny SPAT araka ny “baiko midina” avy amin’ny mpitondra ny tetezamita.

 Efa nanomboka ny taona 2011 no novolavolaina ny asa ho fanatsarana ny tanànan’i Toamasina, nefa omaly tao amin’ny lapan’ny Faritra Atsinanana nanaovana ny dinika fakan-kevitra, vao fantatra fa 12 miliara Ariary ny vola navoakan’ny SPAT ho an’ny VP.DAT tamin’ny alalan’ny volany nampanofain’ny ministeran’ny vola sy ny tetibola tamin’ireo tombombarotra azony. Tsy mbola ireo vola rehetra anefa izany fa ampahany kely ihany satria ny ampahany betsaka dia entin’ny SPAT manao ny asa momba ilay fandaharan’asa “Port Toamasina 2030”. Io vola be io dia mitsinjara ho 3 miliara Ariary entina amin’ny fanatsarana ny araben’ny fahaleovantena sy fanamboarana ilay dobo misy jiro maro loko ary ny famaranana ny fanarenana ny Lapan’ny tanàna, raha mpanambola hafa (?) no namoaka ny vola tamin’ny fanarenana goavana teo aloha.

Ny ambiny 9 miliara Ariary kosa araka ny fanazavana ihany, dia hanarenana ny fahasimban’ny “boulevard Ratsimilaho” amoron-dranomasina, nataon’ny TAMA-Event. Re anefa izao fa dia nohararaotina ny fandalovan’ireo rivodoza roa farany teo teto Madagasikara nilazana fa “fahasimbana naterak’ireo rivodoza roa ireo no nanapotika ny araben’ny amoron-dranomasina”, ka nangatahana famatsiam-bola izao ity. Eo koa ny lalana hatreo amin’ny tetezana Tanamakoa sy ny “boulevard Joffre” ary ny fanatsarana ny araben’ny fahaleovantena. Hatreto izany mandrapahavitan’ny drafitra farany sy tena izy amin’ny fanovana ny bozaka eo anoloan’ny Lapan’ny tanànan’i Toamasina, dia miantona kely aloha ny asa momba azy, fa ireo asa hafa hampiasana ilay vola be 9 miliara Ariary an’ny SPAT, tsy misy olana no hatao manomboka izao.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT