Olana goavana eto amintsika ankehitriny ny tsy fananan’asa noho ny tsy fisian’ny ezaka ataon’ny fanjakana.
Anisan’ny tena mitondra faisana vokatr’izany tanora sy ny vehivavy. Tsy mitsaha-mitombo mantsy ireo herisetra mahazo azy ireny ankoatra ny adin-tsaina babeny ateraky ny tsy fisiany. Ho an’ny vehivavy manokana dia efa tafakatra hatrany amin’ny 35% ireo lasibatra raha, hoy Raharifenomahaleo Zo, filohan’ny ONG Manasoa. Miaina ireo karazana herisetra avokoa ny ankamaroan’izy ireo toy ny herisetra ara-nofo, ara-batana, ara-tsaina…. Mba hahafahana mampihena io salan’isa io sy hampahafantarana ny vehivavy rehetra ny tena hatao hoe : herisetra ary dia manatanteraka fampirantiana etsy amin’ny Tahala Rarihasina ireo fikambanana miisa 21 miady amin’ny herisetra mpahazo ny vehivavy eto amintsika mivondrona ao anatin’ny tambazotra TIAVA, nanomboka omaly. “ Tsy natao hiafiana ny fanambadiana, ny herisetra ao an-tokantrano. Andao hiady” no lohahevitra nampitondraina ny hetsika, haharitra roa andro. Ankoatra ireo fikambanana miisa 21 ireo dia anisan’ny mandray anjara mavitrika amin’izany ihany koa ny kiady ho an’i Madagasikara manoro hevitra sy manentana ireo tanora vao hiditra eo amin’ny sehatry ny fanambadiana hahafahana misoroka amin’ny ampahany ny herisetra ao an-tokantrano.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.