Actualités

Vokatry ny rivodoza Haruna Ahiana ny tsy fahampian-tsakafo


  • Alakamisy 14 Martsa 2013

Asa nimasoan’ny Care International vao lasa ilay rivodoza Haruna ny fanaovana sidina avy eny ambony ireo faritra dibo-drano, ny trano rava ary ny fahavoazan’ny vokatra ahafahana mamaritra ny filàna maika.

 Ny Distrikan’i Toliara I sy II ary koa i Morombe no hitany fa tena voa mafy tamin’izany. Araka ny tatitra navoakany dia ny fahapotehan’ny voly noho ny rivomahery sy ny fiakaran’ny rano eny an-tanimboly eo anelanelan’i Morombe sy Toliara no tena ahiana izay mety hitarika tsy fahampian-tsakafo afaka herinandro vitsy. Noho ny hamaroan’ny tokantrano mitafo lanitra tsy fidiny dia nandefa labasy plastika any Morombe sy Toliara ity fikambanana iraisam-pirenena ity. Vahaolana vonjimaika izy ity mba honenan’ny traboina mandrapahatsangany ny tranony na koa mandrapidin’ny rano. Olona 10.000 eo ho eo, izany hoe fianakaviana 2.000 no nizaran’ny Care sy ny CRS io labasy io avy amin’ny famatsiam-bolan’ny USAID. Misy fianakaviana 1.000 hafa koa nahazo labasy tahaka an’io miampy fitaovana fahandroana sakafo avy amin’ny governemanta anglisy. Mikasa hanatanteraka asa atakalo sakafo mba hanomezana fidiram-bola kely ho an’ny mponina amin’ireo lalana tapaka koa ny Care. Fiaraha-miasany amin’ny PAM indray io.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT