Actualités

Vokatry ny krizy Niha maro ny mpivarotena ao Toamasina


  • Alatsinainy 11 Martsa 2013

Nijoro tamin’ny taona 1993 ny fikambanana FIVEMITO na “Fikambanana Vehivavy Miavo-tena Toamasina”, tarihin-dRtoa Razafindravao Germaine, izay efa niaina nandritra ny taona maro tao anatin’ny fampanofana tena (Travailleuse du sexe : TDS). Tany am-boalohany dia niisa 1.700 ireo TDS mpikambana.

 Niezaka ny fikambanana nampivondrona ireo vehivavy TDS ho fanavotana azy ireo noho ny asany ao anatin’ny loza sy tsy misy fiantohana mba hiavo-tena. Ny taona 2010 noho ny ezaka nataon’ny filohan’ny fikambanana dia nahatratra 28 850 ireo mpikambana, ary efa manodidina ny 30.000 izany ankehitriny noho ny krizy nanomboka ny taona 2009 izay nampitombo ireo nisafidy ho TDS noho ny olana ara-tsosialy. Manomboka 10 taona hatramin’ny 24 taona ny ankamaroan’ny mpikambana, na eo aza ireo efa manodidina ny 30 sy 40 taona mbola manao ny asa fampanofana tena. Niezaka ny nanabe ny mpikambana ny fikambanana.

Nisy ny vokatra azo izay efa misy 15% ny mpikambana no nahita asa hafa. Ny 06% efa nanambady ara-dalàna ary nifindra monina ao La Réunion ny ankamaroany rehefa nanambady vahiny. Maro ireo fomba nentin’ny FIVEMITO nanampiana ireo mpampanofa tena tao aminy. Eo ny fanentanana eny anivon’ny fiaraha-monina, eo koa ny fanentanana atao amin’ireo ray aman-dreny, eo indrindra koa ireo tovovavy mikasika ny loza miandry amin’ny fampanofana tena. Ankoatra izay, miara-miasa amin’ny Faritra Atsinanana, ny Fitsarana ary ny Ministeran’ny fahasalamana izy ireo, amin’ireo herisetra mpahazo ny vehivavy, ny fahasalaman’ny mpikambana ary ny fiarovana ny zon’izy ireo amin’ireo mpanararaotra.

Rakoutou 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT