Vokatry ny krizy

> Voatery miasa ny ankizy mitady vola


  • Talata 17 Septambra 2013


Tsy vitan’ny ray aman-dreny irery intsony ankehitriny ny fampidiram-bola ao an-tokantrano fa dia mandray anjara hatramin’ireo kilonga madinika. Any Ambatondrazaka, maro ireo ankizy lasa mitady vola tsy fidiny. Ao ny  mitady vola amin’ny alalan’ny fivarotana hani-masaka. Misy indray ireo lasa manaotao foana ka ny vatany mihitsy no amidiny. Mbola te hanohy fianarana izahay kanefa tsy vitan’ny ray aman-dreninay intsony ka aleo mihitsy izahay zanaka no mikaroka vola hianarana, hoy ny ankizy iray nanontaniana. Ity krizy lavareny ity no nahatonga ahy tsy an’asa tampoka, hoy ny raim-pianakaviana iray. Lasa niantraika amin’ny ankohonako izany, ka omena tsiny ve ny zanako raha mitady vola ? Ny ankizy izany no tena mizaka ny voka-dratsin’ny krizy. Mila tonga saina ny mpanao politika, raha tsy izany ho potika ny hoavin’ny taranaka faramandimby

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT