Vokatry ny krizy

> Very 8 arivo tapitrisa dolara mahery i Madagasikara


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2013

Efa ho dimy taona izao isika eto Madagasikara no niaina tao anatin’ny krizy politika. Efa miitatra any amin’ny fahasahiranana ara-toekarena sy ny fiainana mandavan’andron’ny mponina izany amin’izao fotoana izao.

Efa nilaza ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena fa maherin’ny 92%n’ny vahoaka Malagasy no miaina tanteraka ao anatin’ny fahantrana ary mitombo 4.000 isan’andro ireo sahirana eto amin’ny firenena. Tsy ny any ivelany ihany anefa no manana tarehimarika mampivarahontsana tahaka izany fa ireo mpahay toekarena Malagasy koa dia manana ny fanadihadiana nataony sy ny zavatra hitany sy tsikariny. Ho an’ny eo anivon’ny primatiora lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria ohatra dia mahita fa nanary vola hatrany amin’ny 8 arivo tapitrisa dolara i Madagasikara tao anatin’izay krizy lavareny tsy mety mivaha izay. Raha atao ny kajy tsotsotra dia manodidina ny 6 tapitrisa dolara isan’andro no vola very tokony hiditra eto amintsika.

Ho an’ny sehatra tsy miankina indray dia mitotongana hatrany ny tontolo misy azy ireo noho ny tsy fandriampahalemana amin’ny lafiny maro toy ny lalàna mifehy ny asa sy ny fitakiana hetra. Ny zava-misy aloha dia nidina ny tahan’ny fampiasam-bola anatiny satria raha 14,4% izany ny taona 2011 dia 13,9% kosa ny taona 2012. Torak’izany koa dia tsy azo hodian-tsy hita ny fahapotehana maro isan-karazany noho ny tsy fisian’ny famatsiam-bola avy any ivelany. Ohatra azo tsapain-tànana amin’izany ny sehatry ny foto-drafitr’asa toy ny lalàna izay mampifandray ireo tanàna maro eto amin’ny Nosy. Ny azo ambara aloha dia miankina amin’ny ampahany betsaka amin’ireo mpitondra mahefa sy ireo mpanao politika ny fivoahan’i Madagasikara ao anatin’izao fahasahirana efa mandifotra ny mpiray tanindrazana izao. Vinavinaina ho 3% sy 4% moa ny harin-karena ny taona 2013 sy 2014 raha tanteraka soa aman-tsara ireo fifidianana filoham-pirenena sy solombavam-bahoaka amin’ity taona ity.

Ramano F.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT