Vokatry ny krizy

> Betsaka ireo ezaka nataon’ny AIM no very


  • Zoma 21 Febroary 2014

Hanarina ny ezaka efa nataony teny anivon’ny tontolo ambanivohitra indray manomboka izao ny AIM na ny Association Intercoopération Madagascar.

Anisan’izany ny fampianarana ireo Renim-pianakaviana mba hahay hahandro sakafo ara-pahasalamana ho an’ny ankohonany izay zary very tanteraka tato anatin’ny dimy taona vokatry ny krizy. Tany amin’ny faritra Menabe, no nanatanterahan’ny AIM io tetikasa io mba hahafahan’ny rehetra misakafo ara-dalàna. Nanomboka tamin’ny famatsiana fitaovana ny tantsaha izany mba hahafahan’izy ireo mamokatra ara-dalàna, nitohy tamin’ny fanampiana azy ireo mba hahafahany mividy vokatra tsy vokariny ohatra hena ary nofaranana tamin’ny fampianarana ny renim-pianakaviana mba hahay hahandro. Ankoatra io dia hanao ezaka amin’ ireo sehatra maro nahafantarana azy ihany koa ny AIM, fikambanana iray izay somary nangingina tato anatin’ny folo taona niasany. Anisan’izany ny fiarovana ny tontolo iainana, ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka… Mankalaza ny faha folo taona niorenany ankehitriny ny fikambanana, folo taona entin’izy ireo hampahafantarana ny vokatra tsara azo amin’ny alalan’ny site web tao anatin’izay fotoana somary lavalava izay. Faritra enina no hiasan’izy ireo eto Madagasikara

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT