Vokatry ny halatra solika

> Hirehitra tsy ho ela ny tanŕnan’i Toamasina


  • Sabotsy 07 Septambra 2013

Ny alakamisy teo dia nitrangana halatra solika tamin’ny fantsona lavabe mpitondra solika an’ny Galana miainga ao amin’ny seranantsambo hatrany amin’ny toby fitehirizana ao Manangareza, ary mandalo eo ambonin’ny kianja filalaovam-baolina ao Canada.

Efa tena misy “vannes” (vavany) mihitsy napetrak’ireo mpangalatra amin’ny fantsona, ka manokatra fotsiny izy ireo dia mameno ireo barika mora foana. Loza mitatao izao ho an’i Toamasiana. Raha avelan’ireo mpangalatra hisokatra fotsiny mantsy ny “vanne” aorian’ny halatra ataony, ka nihanaka nameno kianja filalaovam-baolina ireo solika izay tena mora mirehitra, satria lasantsy, dia hirehitra ny tanàna. Nandray fepetra ny Galana ka norarana aloha ny mandeha sy mandalo ary milalao baolina manodidina sy eo ambonin’ny kianja mandra-pilamin’ny raharaha sy hialan’ny etona izay mbola atahorana hirehitra. Marihina ihany koa fa mifanakaiky ny fantsona mpitondra solika an’ny Galana sy ny fantsona mpitondra etona mahery vaika “ammoniac” an’ny orinasa Ambatovy ka loza mitatao ho an’ny rehetra ny zavatra hitranga raha sanatria ka misy afo.

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT