Miovaova be ihany ny toetr’andro any Ambatondrazaka. Tsy voafaritra intsony hoe ririnina sa maintany fa indraindray mafana, vetivety foana indray dia mangatsiaka.
Maro ny olona no manatona dokotera vokatr’io fiovaovan’ny toetr’andro io. Ny ankamaroan’ny olona manatona tobim-pahasalamana dia sery sy kohoka no mahazo azy ireo. Tsy vitsy koa anefa ireo marary manao dokotera tena ka mampiasa ireo sakafo toy ny tongolo vodiny sy tantely ary ny sakay tany. Somary nahery vaika ihany ny aretina naterak’io toetr’andro miovaova io tamin’ity taona ity raha oharina tamin’ny taon-dasa raha ny filazan’ny mpitsabo iray taminay.
Tsy tokony hiandrasana efa mihombo ny aretina vao mamonjy tobim-pahasalamana fa raha vao tsy azoazo ny aina dia efa tokony hanatona mpitsabo. Marina fa mety hahomby ny fihinanana sakafo manafana ny vatana kanefa ihany koa tsy azo hadinoina fa mety hiteraka zavatra hafa eo amin’ny vatana izany. Fantatra moa fa mbola betsaka any Ambatondrazaka ny olona manao dokotera tena eo amin’ny fitsaboana ny kohaka sy ny sery io. “Sery vitan’anamalaho ve, koa hamonoana vatotr’akoho ?”, hoy izy ireo. Aleo ihany anefa mitandrina satria rehefa tonga ny famoizana aina tsy misy zavatra azo atao intsony.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.