Tsy misy izay tsy mitaraina ny amin’ny voka-dratsy ateraky ny delestazy ny sarababem-bahoaka. Ho an’ireo sampandraharaham-panjakana toy ny kaominina ohatra raha araka ny fanadihadiana natao dia ny famitana ireo
kopia mari-pahaterahana…. no tena manahirana fatratra azy ireny. Raha aterina maraina amin’ny 10 ora ary alaina amin’ny 03 ora folakandro ohatra ny bulletin de naissance iray ho an’ny mpianatra iray hiatrika fanadinam-panjakana teo aloha ho an’ny kaominina Andoharanofotsy dia lasa telo andro izany vao vita. Raha aterina Alatsinainy dia Alarobia vao alaina vokatry ny fahatapahan-jiro matetika. Efa miezaka ny mampiasa milina fanoratana na machine a ecrire ihany ireo kaominina sasany noho izany saingy mbola tena tsy maharaka. Raha araka ny fanadihadiana natao moa dia lasa mivangongo vokatr’izany ny asa ka mahatratra 100 isan’andro indraindray ny bulletin de naissance raisin’izy ireny. Ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana no tena mila maika izany, antony mahasorena ireo Ray aman-dReny…. ka mampimenomenona azy ireo amin’ny mpiasan’ny kaominina.
Pati
Legende : Lasa sorena amin’ireo mpiasan’ny kaominina ireo mpikarakara taratasy noho ny fahaelan’ny fotoana hahavitan’izany. (sary fanehoana)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.