Fitadiavana mba hivelomana no nialana tany an-tanŕna nefa vatana mangatsiaka tsy misy aina intsony no novantanin’ny fianakaviana ny “vendredi 13” teo tany amin’ny distrikan’i Vohipeno, Faritra Vatovavy Fitovinany.
Mpihady volamena miisa fito no maty tsy tra-drano nirotsahan'ny tany tao Manjavela, Fokontany Ankaboba any amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Mahazoarivo, ny zoma 13 mey lasa teo. Araka ny vaovao voaray dia teo ampitrandrahana volamena izy ireo no nihotsaka tampoka ny tany vokatry ny hamandoana, ka namoy ny ainy nilevim-belona tao tsy afa-nanavotra aina intsony ireto fitolahy. Nananosarotra ny fikarohana ny razana satria naharitra ora maro ny fikarohana vo hita ny razana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.