Actualités

Voatifitra tsy nahy Poa-maso i Berthine


  • Alakamisy 10 Aprily 2014

Jiolahy no nenjehina, olona tsy manan-tsiny no lasibatra ary mitondra takaitra mandra-pahafatiny. Niantefa tany amin-dRtoa Rasoanandrasana Berthine, renim-pianakaviana 23 taona, monina ao Bazary kely Toamasina ny balan’ny zandary nisambotra jiolahy nambara ho mpaka an-keriny Karana, ny 02 desambra 2013, tokony ho tamin'ny 7ora hariva.

 Vokatry ny tifitra variraraka nataon’ny zandary no nahavoa ity renim-pianakaviana ity izay tao an-tranony tamin’io fotoana io, satria dia gorobaky ny tifitra ny rindrin-trano izay vita amin'ny barika ka nivantana teo amin'ny masony. Poaka tanteraka ny masony havanana ankehitriny. Mitaraina ny fianakaviany fa tsy mba nisy fikarakarana na fanampiana azo tamin’izao nahavoa ny havany izao. “Raha mba nanatona ireo lehibe samihafa teto Toamasina izahay, dia tsy firaharahaina sy teny an’avona ary fandrahonana indray no azonay”, hoy ireto fianakaviana ireto.

Efa nangataka fihaonana tamin'ireo solombavambahoaka voafidy tao Toamasina ihany koa saingy tsy mety voaray fa tsy manam-potoana, hono. Tokony hanohy ny fitsaboana anefa ity vehivavy ity, saingy efa tapitra ny teo an-tanana ka manahy ny fahalasalaman’ny havany izy ireo.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT